<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>792</hymn_number>
<title>Misy zaza marobe FFPM792</title>
<lyrics>[V1]
 Misy zaza marobe
 Faly, sambatra ao ambony ;
 Ny devoly lozabe
 Tsy mamely azy intsony,
 Izy ireo dia zazakely
 Tonga naman'ny anjely.

[V2]
 Mba irionao tokoa
 Ny ho naman'izy ireny,
 Indro, misy zava-tsoa
 Ho anao raha tonga eny,
 Dia afoizo sy ario
 Izay rehetra tsy madio.

[V3]
 Tompo, raiso izahay
 Mba ho zanakao handova
 Lapa soa rahatrizay
 Lova tsy miovaova ;
 Manan-jara aoka izany
 Izay rehetra tonga any.</lyrics>
<author>J. R. Ahle</author>
</song>